lundi 2 février 2009

NY FANOHERANA

CONTESTATION (revendication...ne rime pas avec vandalisme, vols, incendies, morts, chaos)


Ny fanoherana
dia tsy fanimbana,
feno hatezerana
ka tena tsy tana !


Ny fanoherana
dia tsy fandoroana
ampiana tsy ferana
an'izay famonoana.


Ny fanoherana
dia tsy fangalarana,
vao mba niserana
sy nanarangarana.


Ny fanoherana
dia tsy fikorontanana,
na manan-toerana
'zay tsy fiadanana !


Fredy JAOFERA

MORTS DANS L’INDIFFERENCE GENERALE
Hebergeur d'images

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire